Voangory masina
Ny voangory masina dia karazana bibikely ao amin' ny fianakaviana Scarabaeidae. Ny anarany ara-tsiasa dia Scarabaeus sacer. Ity voangory mpihinana tay ity dia manana toetra mahaforona baolina (matetika lehibe lavitra noho izy) amin' ny tain' omby ary mamarimbarina izany mankany amin' ny lavaka fonenany mba hanatodiany. Mivoatra amin' ny alalan' ny fihinanana an' ilay tain' omby ny olitra.