Voady ara-pivavahana

Ny voady ara-pivavahana dia voady ampahibemaso ataon' ny mpikambana ao amin' ny fikambanana ara-pivavahana anatin' ny antokom-pivavahana iray mikasika ny fitondran-tenany sy ny fanaony ary ny fomba fijeriny.

Voady mandrakizay sy fanokanana virjiny tany Alemaina, 2006

Ao amin' ny bodisma, indrindra ao anatin' ny bodisma mahaiana sy vajraiana, dia karazana voady ara-pivavahana maro no ataon' ny fikambanana laîka ary koa ny fikambanan' ny monka na moanina, rehefa mandroso amin' ny lalan' ny fanaony izy ireo. Ao amin' ny fomban' ny moanina amin' ny sekolin' ny bodisma rehetra, ny Vinaya (lahatsoratra) dia manazava ny voadin' ny moanina lahy sy vavy voatokana feno.

Ao amin' ny kristianisma, ny voady ampahibemaso toy izany dia ataon' ny relijiozy - kenôbitika sy eremitika - ao amin' ny Eglizy Katôlika, ny Fiangonana Loterana, ny Fiombonambe Anglikanina, ary ny Fiangonana Ôrtôdôksa Tatsinanana, izay atao hanamafisana ny asa hataony ampahibemaso amin' ny torohevitra ara-pilazantsara momba ny fahantrana sy ny fahadiovam-pitondrantena ary ny fanajana ara-panahy.

Ny voady dia raisina ho toy ny famaliana an-kalalahana ataon' ny tsirairay ny antson' Andriamanitra hanaraka akaiky kokoa an' i Jesoa Kristy eo ambanin' ny asan' ny Fanahy Masina amin' ny endri-piainana ara-pivavahana manokana. Ny voady ara-pivavahana, izay voady ampahibemaso, dia mamatotra amin' ny lalàn' ny Fiangonana. Anisan' ny vokatry ny voady ny tsy fahafahan' ilay olona hanambady. Ao amin' ny Eglizy Katôlika, amin' ny alalan' ny fidirana amin' ny fiainana voatokana dia tsy lasa mpikambana amin' ny ambaratongam-pahefana fa lasa manana sata izay sady tsy mpitondra fivavahana no tsy laîka, fa amin' ny satan' ny voatokana, ny nahavita voady ara-pivavahana. Na izany aza, ireo izay ao amin' ny filaharana (fikambanana) ara-pivavahana sy ireo hermita ao amin' ny Filaharana Masina dia mpikambana ao amin' ny ambaratongam-pahefana.

Jereo koa hanova