Venosy (planeta)
(tonga teto avy amin'ny Venus)
I Venosy (marika: ) dia ny fajiry na planeta faharoa mihodikodina manodidina ny Masoandro. Io no ataon' ny Malagasy hoe Fitarikandro[1]. Ny halavirany amin' ny Masoandro dia 108 tapitrisa km. Noho ny hatevin' ny sosondrivony sy noho ny fahafahany mitazona hafanana dia eo amin' ny 465 °C hatramin' ny 490 °C ny mari-pana eo amin' ny trôpôsferan'ilay fajiry.
Ny tsindry amin' ny faritra ambanin' ny trôpôsfera dia eo amin' ny 92 bar (in-92n' ny tsindrin' ny soson-drivotry ny tany), 95 % ny tahan' ny diôksida karbônan' ilay soson-drivotra. Ny herin-kazavany dia eo amin' ny -4,6.
Rohy ivelany
hanovaJereo koa
hanova- Ireo fajirin' ny Masoandro
Loharano sy fanamarihana
hanova- ↑ "Fitarikandro", tenymalagasy.org