Valan-javaboarin'i Namoroka
Valan-javaboarin'i Namoroka | ||
Toerana | Avaratra andrefan'i Madagasikara | |
Tanàna akaiky | Soalala, Mahajanga | |
Velarana | 220.71 km² |
Ny Valan-javaboarin'i Namoroka na fantatra koa amin'ny hoe Valan-javaboarin'ny Tsingin'i Namoroka, dia valan-javaboary malagasy anankiray hita ao avaratra andrefan'ny nosy Madagasikara, ao amin'ny faritanin'i Mahajanga, ary ao amin'ny Distrikan'i Soalala.
TantaraHanova
Ny taona 1927[1] no niorina ny Valan-javaboarin'i Namoroka ary nanjary lasa réserve spéciale izy nanomboka ny taona 1966.
Toetrandro sy JeografiaHanova
Sahabo ho 50 km atsimon'i Soalala, any amin'ny ilany avaratra andrefan'i Madagasikara no ahitana azy. Maharitra fito volana ny vanim-potoana main-tany any, ary dimy volana kosa ny vanim-potoana fahavaratra. Ny mari-drefin'ny filatsahan'ny orana dia eo amin'ny 115 sm isan-taona, ary ny mari-pana kosa dia manodidina ny 25 °C.
Ireo tsingy, zohy, canyon no tena mampalaza an'io vala io.
Fanamarihana hafaHanova
Namoroka no anarana nosafidian'i Mozilla Firefox ho an'ny tao faha 3.6.[2] an'io rindrankajy io.
RohyHanova
- ↑ The Tsingy de Namoroka National Park Sitesheet Archived Aprily 11, 2009 at the Wayback Machine. World Database on Protected Areas.
- ↑ "Firefox 3.6 Namoroka". Mozilla. April 3rd, 2009. Retrieved on 2009-04-04.
Rohy ivelanyHanova
- World Database on Protected Areas entry Archived Aprily 11, 2009 at the Wayback Machine
- Wild Madagascar's entry on Namoroka