Ny vahoaka voafidy dia vahoaka milaza na lazaina fa nofidin' ny fahefana ambony kokoa, ka amin' ny ankapobeny dia Andriamanitra no mifidy.

Maro ny vondron' olona nihevitra ny tenany ho voafidy ho amin' ny asa fanirahana samihafa toy ny maha solontenan' Andriamanitra azy eto an-tany. Matetika io sata io dia ampifandraisina amin' ny fifehezana hentitra ampiharina amin' ny tena manokana na iarahana, mba hanatanterahana ny zavatra andrasan' Ilay mifidy. Ny hoe "vahoaka voafidy" dia matetika mifandray amin' ny Jiosy satria ny Baiboly hebreo dia manondro amin' ny teny hoe "vahoaka voafidy" ny zanak' i Israely izay nantsoina hanangana "firenena masina" (גוֹי קָדוֹשׁ) (Eksôdosy 19:5-6) taorian' ny nahazoany ny "Teny" na "Lalàn' Andriamanitra", amin' ny endriky ny Torah nampitain' Andriamanitra tamin' i Mosesy na Môizy.

Taorian' ny fisarahana teo amin' ny jodaisma sy ny kristianisma, ny Kristiana dia nanambara ny tenany ho verus Israel ("Israely tena izy", "Israely marina") fa ny Jiosy dia nanamafy fa izy tenany no olom-boafidy tokana satria eo ambanin' ny fanajana ny didy amam-pitsipika rehetra ao amin' ny Torah io fifidianana io.

Noho izany, io anarana hoe "vahoaka voafidy" io dia mifangaro fanesoesona sy ny fanamavoana ho an' ny vahoaka naetry izay mbola manambara ny tenany ho voafidy nefa tsy manaraka ny fenitra. Tsy heverin' ny Jiosy ho porofo na mariky ny fahamboniana anefa izany fifidianana izany, fa ho toy ny andraikitra fanampiny, araka ny nambaran' ny mpaminany Amôsa manao hoe: "Ianareo ihany no fantatro tamin' ny firenena rehetra ambonin' ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra." (Bokin' i Amôsa 3:2).

Jereo koa hanova