Tsangan-kevitra 95n' i Lotera

Ny tsangan-kevitra 95n' i Lotera dia fitambaram-pehezankevitra nosoratan' i Martin Lotera mba hitsikerany ny fivarotana indolzansy nataon' ny Fiangonana katôlika rômana izay nomen' ny papa Leo X mba hamatsiam-bola ny fanamboarana ny bazilika Masindahy Piera ao Rôma. Ilay pretra dôminikana alemàna Johann Tetzel no lohany tamin' izany fivarotana izany.

Kopian'ny tsangan-kevitr' i Lotera

Ny lohatenin' io tsangan-kevitra io amin' ny teny latina dia Disputatio pro declaratione virtutis indulgentiarum.

Araka ny tantara dia izany lahatsoratra izany no niteraka ny Reformasiona na Fanavaozam-pivavahana prôtestanta tao Alemaina. Izany tahirin-kevitra izany dia napetak' i Lotera teo amin' ny varavaran' ny fiangonana Schlosskirche ("fiangonan' ny Olo-Masina") ao Wittemberg (atao hoe Sachsen-Anhalt ankehitriny) tamin' ny 31 Oktobra 1517. Iray andro alohan' ny fetin' ny Olo-Masina izany. Tamin' io 31 Oktobra io dia maro ny olona tonga hitsaoka ny sisan-javatra avy amin' ny maty (relika) mba hampihena ny fotoana hiaretana ao amin' ny afo fandiovana.

Raha tsy iadian-kevitra intsony ny fahamarinan' ny filazana fa i Lotera no nanoratra ilay lahatsoratra, mbola mampiady hevitra ny mpahay tantara raha tena nitranga marina izany zavatra izany.

I Martin Lotera


Ny papa Leo X ny kardinaly roa


Ny Bazilika Md Piera
I Johann Tetzel