Trondro maina sy anamalao
Ny trondro maina sy anamalao dia karazana laoka malagasy izay anafangaroana ny trondro sy ny anamalao. Marihina fa trondron-dranomamy no lazaina eto. Ny fony no tena tsara nefa mety daholo na tilapia aza. Ho an'olona efatra:
Makà trondro maina salasalany efatra na mihoatra, dia alomy kely anaty rano fotoana fohy, dia esory sy ario ny taolataolana. Tangosy ny anamalao (200 g farafahakeliny) ary voniny telo ihany fara fahabetsany no tazomina. Endaso ny tongolobe iray sy voatabia iray, dia arotsahy ao ny trondro maina voakarakara teo, afangaroy tsara dia alefaso ao koa ny anamalao. Afaka roa minitra dia tampohy rano iray litatra sy sasany, asio sira araka izay tianao. Saromy ary avelao hangotraka 15 minitra, haroharoy matetika, dia arosoy anaty vilia jobo.
Tsara aroso miaraka amin' ny vary maina sy lasary voatabia, ary ranovola no zava-pisotro.
Jereo koa
hanovaI Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Fish dishes in Madagascar |