Ny torimaso dia fialan-tsasatry ny tena ao anaty tsy fahatsiarovan-tena momba ny zavatra mitranga amin' ny tontolo ivelan' ny vatana, nefa ny taovam-pandrenesana dia maheno ihany, nefa mihena ny fihenjan' ny hozatra tsikelikely. Ny fifandimbiasan' ny torimaso sy ny fahatsiarovan-tena dia iray amin' ireo tsingerina fototra ao amin' ny biby. Ao amin' ny olombelona dia mandany manakaiky ny iray ampahatelon' ny fotoana ahavelomany ny torimaso. Tsy mitovy amin' ny tsy fahatsiarovan-tena ny torimaso noho ny mbola fisian' ny hetsika hoazy tsinahy sy ny fahafahan' ny olona matory hanokatra ny masony sy hamaly fihetsika rehefa maheno olona miteny sy rehefa misy mikasika ny tena. Ratsy torimaso ny vehivavy sasany mandrintra ny fadimbolana (indroa tsy ampy torimaso noho ny lehilahy) ary ny maro amin' izy ireo mandritra ny fitsaharam-pananahana. Amin' ny ankapobeny, ratsy torimaso kokoa ny olona be taona raha mitaha amin' ny tanora.

Zazavavy matory

Jereo koa hanova