I Toera na Andriamilafikarivo dia mpanjakan' i Menabe, izay maty nandritra ny ady nifavaovan' ny Sakalavan' i Menabe tamin' ny tafika frantsay tao Ambiky.

Fahazazany

hanova

Mbola kely loatra ny mpanjaka Toera raha maty tamin' ny taona 1858 i Taragny Vignany rainy, ka ny andriambavy Narova, anabavin-drainy, no niantoka ny fitondrana. Tsy nanan-janaka ilay andriambavy ary nesorin' ny vahoaka tamin' ny taona 1860 noho ny fifanarahany tamin' i Frantsa amin' ny fanaovana prôtektôrata ny fanjakana.

Fahalehibeazany

hanova

Nonina tao Ambiky ny mpanjaka Toera hatramin' ny 30 Aogositra 1897 izay namonoana azy. Nandritra ny fanafihan' ny Frantsay an' i Madagasikara dia nampiray ny heriny ny mpanjakan' i Menabe. Tamin' ny 14 Aogositra 1897 sy 30 Aogositra 1897 no nifanehatra tamin' ny miaramila frantsay teny Anosimena sy Ambiky ny mpitarika an' i Menabe 100 niaraka amin' ny miaramila 10 000 nirongo basy.

Fahafatesany

hanova

Ny mpanjaka Toera dia novonoina miaraka amin' ny mpitari-tafika sy ny andriana maro. Araka ny lovantsofina dia Sakalava 5 000 no maty tamin' io alina io noho ny firaisana tsikombakomban' i Léo Samat, mpivarotra frantsay, izay fatidrà sady vinantolahin' ny mpanjaka Toera mihitsy. Izy no nitarika ny Frantsay ho amin' ity toerana ity. Tsy nilamina anefa i Menabe raha tsy tamin' ny taona 1900.

Jereo koa

hanova