Ny tilikambo dia rafitra toy ny trano na toy ny andry, mijoro lava, tsy mila fanohanana ivelany, sahala amin' ny trano avo dia avo, ny tilikambo.

Ny Tokyo Skytree no tilikambo avo indrindra eto an-tany (ao Tokyo, Japàna)

Miavaka manokana amin' ny tranobe ny tilikambo satria tsy natao honenana fa ampiasaina amin' ny tanjona hafa mifadraika amin' ny haavony. Ohatra, manatsara ny fahitana sy fahenoana ny famantaranandro ny haavon' ny tilikambom-pamantaranandro, ary mampitombo ny fahitana ny manodidina mba hiarovana azy ny haavon' ny tilikambo amin' ny trano mimanda (tilikambo fiambenana). Azo amboarina mba hankafizana ny fitazanana ny manodidina, ho fialam-boly, na ho fifandraisan-davitra ihany koa ny tilikambo. Afaka mijoro irery na tohanan' ny trano mifanila aminy, na mety hiorina eo an-tampon' ny rafitra na trano lehibe kokoa ny tilikambo.