Teknôlôjia avo lenta

Ny teknôlôjia avo lenta dia teknôlôjia na teknika tonga amin' ny faran' izay takatra eo amin' ny vanim-potoana iray: ny endrika ambony indrindra amin' ny teknôlôjia misy. Izy io dia azo faritana ho teknôlôjia sarotra indrindra na teknôlôjia vaovao indrindra eo amin' ny tsena. Atao hoe high technology na high-tech izany amin' ny teny anglisy.

Ny orinasa VinFast mpanamboatra fiara elektrika mampiasa teknôlôjia rôbôtika indostrialy, any Haiphong, Vietnamy.

Ny teknôlôjia ambany (anglisy: low technology na low-tech), izay manondro ny teknôlôjia tsotra, no mifanohitra amin' ny teknôlôjia avo lenta; ity teknôlpojia ambany ity dia matetika teknôlôjia nentim-paharazana na teknôlôjia mekanika; ohatra, ny fitsipika mikorisa fanaovana kajy dia anisan' ny teknôlôjia ambany.

Rehefa lasa antitra ny teknôlôjia avo lenta dia lasa teknôlôjia ambany, ohatra: ny elektrônika mampiasa tioba foana. Ankoatr' izay dia mifandray amin' ny atao hoe teknôlôjia antenatenany (anglisy: mid-tech) ny teknôlôjia avo lenta, izany dia ifandanjan' ny toetra roa mifanohitra eo amin' ny teknôlôjia ambany sy teknôlôjia avo lenta. Ny teknolojia antenatenany dia ny anelanelany manambatra ny fahombiazan' ny teknôlôjia nomerika/teknôlôjia mandeha hoazy sy ny fahafahan' ny teknôlôjia ambany ho an' ny fahaleovan-tena sy ny fahatantezan' ny fitaovana.

Antsoina indraindray hoe teknôlôjia lalina (anglisy: deep technology) ny orinasa vao manomboka miasa amin' ny teknôlôjia avo lenta (na ny famolavolana teknôlôjia avo lenta); mety hilazana fanavaozana manova fenitra lehibe na mifototra amin' ny fahitana zava-baovao siantifika koa io teny io.

Ankehitriny, ny sehatra ekena matetika ho teknôlôjia avo lenta dia: ny aerôspasialy, ny biôteknôlôjia, ny teknôlôjian' ny fampahalalam-baovao sy fifandraisana, ny nanôteknôlôjia, ary ny rôbôtika. Fanampin' izany ny maritranon-teknôlôjia avo lenta, ny hetsika ara-maritranon' ny taompolo 1970.