Tetiandro litorjika anglikana

(tonga teto avy amin'ny Taom-piangonana anglikana)

Ny Fiangonan’i Angletera dia mampiasa tetiandro litorjika misy itovizany betsaka amin’ny an’ny Eglizy katôlika rômana. Na dia tsy tena marina aza izany ho an’ny tetiandro hita ao amin’ny Book of Common Prayer sy ny Alternative Service Book (1980), dia marina indrindra izany hatramin’ny nandraisan’ny Fiangonana anglikana ny endrika vaovaon’ny fanompoana sy ny litorjia voarakitra ao amin’ny Fanompoam-pivavahana iraisana (Common Worship) tamin’ny taona 2000. Marina fa ny fizaràna lehibe ao amin’ny taona, dia ny fizaran-taon’ny Noely sy ny an’ny Paka, izay hasinkasinin’ireo fotoana tsotra, dia mitovy, ary ny ankabeazan’ny fety sy ny fahatsiarovana dia ankalazaina koa, afa-tsy ny sasantsasany.

Amin’ny fiangonana anglikana sasany (isan’izany ny Fiangonan’i Angletera), dia ny fari-potoan’ny Noely no arakarahin’ny fizaran-taon’ny Epifania izay manomboka iray andro alohan’ny Epifania (16 Jona na Alahady akaiky azy indrindra) ary mifarana amin’ny fetin’ny Fanehoana an'i Jesoa tany an-tempoly (2 Febroary na ny Alahady akaiky azy indrindra). Ny fotoana tsotra dia manomboka aorian’izany fotoana izany.

Ny Book of Common Prayer dia mirakitra ny leksionera eokaristika tandrefana fampiasa tranainy, izay niforona avy ao amin’ny "Avia" nataon’i Md Hieronimo (na Jerôma) tamin’ny taonjato faha-5. Ny fifanahafany amin’ny leksionera tranainy dia miseho mazava mandritra ny fizaran-taon’ny Trinite (ireo Alahady aorian’ny Alahady voalohany manaraka ny Pentekosta), izay ahitana taratra izany fahazoana ny hevitry ny fanamasinana izany.

Jereo koa hanova