Tahirin-dranomandry
Ny tahirin-dranomandry dia vongan-dranomandry midadasika izay miforona avy amin' ny oram-panala miangona. Mampivoaka tsikelikely ny rivotra ao anatiny ny vesatry ny oram-panala miangona, sy mampihizina azy ka manjary ranomandry matevina. Mikoriana miadana vokatry ny vesatra izay misintona azy manaraka fidinana ny tahirin-dranomandry.
Miaty ny 60 hatramin' ny 70 % amin' ny ranomamy eto ambonin' ny Tany ny tahirin-dranomandry, ary ampahany manan-danja amin' ny bolan-dranomandry (na kriôsfera). Mahatratra 16 tapitrisa km2 ny velaran’ ny ranomandry eto an-tany. Any amin' ny faritra avo (faritr' i Antarktika sy faritr' i Grinlandy) ny ampahany be (95 %) amin' ny tany be tahirin-dranomandry.
Nahitana tahirin-dranomandry 300 000 ny fanisana ny tahirin-dranomandry eto an-tany nataon' ny Randolph Glacier Inventory tamin' ny taona 2024, mitombo izany tarehimarika izany noho ny fandrosoan' ny fijerena an-janabolana sy ny fiakaran' ny maripanan' izao tontolo izao izay mitarika ny fihenan' ny tahirin-dranomandry nanomboka tamin' ny taona 1850, sy ny fahaverezan' ny hateviny ary ny fisilatsilahan' izy ireo.
Nahatonga ny fihafainganan' ny fitsonihan' ny ranomandry nanomboka tamin' ny faran' ny taonjato faha-20 ny fiakaran' ny hafanana maneran-tany noho ny asan' ny olombelona.