Tafika an-tanety

(tonga teto avy amin'ny Tafika)

Ny tafika an-tanety, na tafika, dia iray amin'ny antokom-piarovana mitam-piadiana ao amin'ny firenena iray, izay miady an-tanety indrindraindrindra. Ny olona any amin'ny tafika dia antsoina hoe miaramila. Ny tafika an-tanety fia mety hotaterina amin'ny fiaramanidina, na an-tsambo, mba haterina eny amin'ny tany maina na mba hahafahany miampita sakana tsy azon'ny fiarakodia aleha (tendrombohitra avo loatra, renirano na hantsana be velarana loatra, sns). Maro ankehitriny ny tafika manana fiara (ka ny sasany amin'izany dia fiara mifono vy) sy fiaramanidina ary ny angidimby mba hanampiana ny miaramila hiady amin'ny tany.

Miaramila afrikana tatsimo tamin'ny taona 2013.

Jereo koa hanova