Sunan al-Sughra
Ny Sunan al-Sughra, (arabo: السنن الصغرى / al-Sunan al-Ṣughrā), fantatra ihany koa amin' ny anarana hoe Sunan al-Nasa'i (arabo: سنن النسائي / Sunan al-Nasāʾī), dia iray amin' ny Kutub al-Sittah (hadita enina lehibe), ary nangonin' i al-Nasa'i (taona 829 – 915). Ny Sonita dia mihevitra io fanangonana io ho fahatelo manan-danja indrindra amin' ny fanangonana hadita enina lehibe (Kutub al-Sittah). Al-Mujtaba ("ilay voafantina") dia manana hadita eo amin' ny 5 270 eo ho eo, anisan' izany ny fitantarana miverimberina, izay nofidin' ilay mpanoratra tamin' ny asa lehibeny, As-Sunan al-Kubra.
Ao anatin' ny Kutub al-Sittah dia heverina ho boky tena azo antoka momba ny hadita (tantaran' i Mohamady) taorian' ny Sahihayn (ny Sahih al-Bukhari sy ny Sahih Muslim) nataon'ny ankamaroan' ny manam-pahaizana momba ny hadita.
Jereo koa
hanova- Kutub al-Sittah – fanangonana enina manan-danja indrindra ao amin' ny silamo sonita
- Sahih al-Bukhari, anisan' ny Kutub al-Sittah
- Sahih Muslim, anisan' ny Kutub al-Sittah
- Sahih al-Tirmidhi – anisan' ny Kutub al-Sittah
- Sunan ibn Majah – anisan' ny Kutub al-Sittah
- Sunan Abu Dawud – anisan' ny Kutub al-Sittah
- Fath al-Bari – fanaovana heviteny nohajaina indrindra amin' ny Sahih al-Bukhari
- Ibn Hajar al-Asqalani – mpahay hadita tamin' ny taonjato faha-15 ary mpanoratra ny Fath al-Bari
- Muhammad al-Bukhari – mpanoratra ny Sahih al-Bukhari
- Muslim ibn al-Hajjaj – mpanoratra ny Sahih Muslim ary mpianatr' i Muhammad al-Bukhari