Skoto
I Baden Powell dia lehilahy iray anisan'ny iray tamin'ireo miaramila nanana izany anjara asa izany fony izy mbola tanora vao herotrerony. Nony taty aoriana anefa dia tapa-kevitra ny hanangana fikambanana iray izy ho fitaizana ny tanora zazalahy miainga avy amin'ny foto-pisainana Skoto.
Mpitari-dàlana, mpisafo tany, mpamaky lay,... ireo no azo andikana ny teny hoe "Skoto" raha ara-bakiteny. Rehefa miady ny miaramila dia ireo no olona alefa mialoha mba handinika ny toe-java-misy mandrapahatonga any amin'ny fahavalo.
Miparitaka maneran-tany io fikambanana io ankehitriny ary maro ny fikambanana mijoro eto Madagasikara mandala ny skotisma izay najoron'i BP. Eto Madagasikara dia misy fikambanana maromaro mifandray amin'ny Birao Manerantanin'ny Skotisma (BMS).