Ny Shoah dia fandripahana tsy misy fanavahana ny Jiosy nataon' ny fitondran' ny Nazi tao Alemainanandritra ny Ady Lehibe Faharoa, izay nitarika ho amin' ny fanjavonan' ny Jiosy dimy ka hatramin' ny enina tapitrisa, izany hoe roa ampahatelon' ny Jiosy tany Eorôpa sy 40 % amin' ny Jiosy manerana izao tontolo izao. Amin' ny teny hebreo dia soratana hoe שואה, izay midika hoe "loza" na "fandringanana", izany zava-nitranga izany. Ampiasainay koa ny teny hoe "fandripahan-taranaka jiosy" na "fandringanana ny Jiosy any Eorôpa" sy ny hoe "hourban" (idisy: חורבן, "fandringanana") koa. Mbola tsy mifanaraka ny mpahay tantara sy ny mpahay teny momba ny fomba filaza tena mety hanondroana izany.

Fifantenana ny voafonja hampanaovina asa an-terivozona na hovonoina ao amin' ny efi-trano misy etona. Auschwitz-II (Birkenau), Mey-Jona 1944.

Jereo koa hanova