I Sharon na ny Lemak' i Sharon dia faritra eo antenatenan' ny morontsiraka israeliana. I Netaya no renivohiny izay misy mponina 190 000 eo ho eo. Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe שרון / Sharon na השרון / HaSharon; fa amin' ny teny arabo kosa dia سهل شارون / Sahel Sharon.

I Sharon any Israely

Ny Lemak' i Sharon dia faritan' i Mediteranea ao andrefana, ny Tendrombohitra Karmela ao avaratra, i Samaria ao atsinanana ary ny tangoron-tanàn' i Tel Aviv ao atsimo. Ny fetra farany atsimo dia ny renirano Yarkon.

Ireto ny tanàn-dehibe any: Netanya, Kfar Saba, Raanana, Herzliya, Hadera, Hod HaSharon, Ramat HaSharon, Pardes Hanna, Binyamina, Or Akiva, Taybe, Tira ary Kalanswa