Seranam-piaramanidin' i Tolagnaro
(tonga teto avy amin'ny Seranam-piaramanidin' i Fort-Dauphin)
Ny seranam-piaramanidin' i Tolagnaro (izay antsoina hoe koa Seranam-piaramanidina Marillac) dia seranam-piaramanidina ao Tolagnaro na Fort-Dauphin, ao amin' ny Faritra Anosy, eto Madagasikara. Telo kilômetatra atsimo-andrefan' ny afovoan-tanànan' i Tolagnaro no misy ilay seranam-piaramanidina.
Nitsahatra ny sidina iraisam-pirenena tamin' ny fahasahiranana vokatry ny COVID 2020-2021. Nisokatra indray anefa ny sidina mampitohy an' i La Reunion sy i Tolagnaro tamin' ny 4 Nôvambra 2022. Misy sidina indray mandeha isan-kerinandro avy any Saint Denis (La Réunion) mankany Tolagnaro ary isan' andro ny sidina Tsaradia mankany Antananarivo.
Indreto ireo kômpania mampiasa na nampiasa ny fiaramanidiny tao amin' io seranam-piaramanidina io:
- ny Air Madagascar, izay mampitohy an' i Tolagnaro amin' Antananarivo (seranam-piaramanidin' Ivato);
- ny Tsaradia, izay mampitohy an' i Tolagnaro sy Antananarivo (seranam-piaramanidin' Ivato);
- ny Madagascar Airlines, izay mampitohy an' i Tolagnaro amin' Antananarivo (seranam-piaramanidin' Ivato), amin' i La Réunion (ny seranam-piaramanidina Roland-Garros ao Saint-Denis), ary amin' i Toliara (seranam-piaramanidin' i Toliara);
- ny Air Austral (izay mampitohy amin' ny serfanam-piaramanidin' i Toliara sy ny an' i La Réunion (seranam-piaramanidina Roland-Garros ao Saint-Denis).