Sekely israeliana vaovao
Ny sekely israeliana vaovao na sekely israeliana dia ny vola apiasaina ao Israely sady ampiasaina koa ho vola ara-dalàna any amin' ny fizaràn-tany palestiniana ao Jôrdania Andrefana sy ao amin' ny Lemak' i Gaza. Ny sekely vaovao dia mizara ho 100 agôra. Efa nampiasaina nanomboka tamin' ny 1 Janoary 1986 ny sekely vaovao rehefa nasolo ny sekely taloha izay nihen-danja tafahoatra amin' ny taha 1000: 1.
Atao hoe שֶׁקֶל חָדָשׁ / sheqel ẖadash ity vola ity amin' ny teny hebreo ity vola ity, fa amin' ny teny arabo dia atao hoe شيكل جديد / šēkal jadīd, izany hoe "sekely israeliana vaovao", na שקל ישראלי / sheqel yisreʾeli amin' ny teny hebreo, sy شيكل إسرائيلي / šēkal ʾisrāʾīlī amin' ny teny arabo, izany hoe "sekely israeliana". Fitambaran' ny litera hebreo voalohany ao amin' ny teny hoe shekel (ש) sy ẖadash (ח) ("vaovao") ny mari-pamantarana ho an' ny sekely vaovao ⟨ ₪ ⟩. Rehefa tsy hita amin' ny milina fanoratana ny mari-pamantaran' ny sekely dia ampiasaina ny fanafohezana hoze NIS (ש״ח sy ش.ج).