I Salah Mustafa Muhammad Shehadeh (na Shahadeh) dia anisan' ireo voalaza fa mpitarika ny Brigady Izz al-Din al-Qassam, sampana mitam-piadiana ao amin' ny Hamas, mandra-pahatongan' ny "famonoana natao lasibatra" tamin' ny Jolay 2002. Atao hoe صلاح مصطفى محمد شحادة), izy amin' ny teny arabo. Teraka tao Gaza tamin' ny 24 Febroary 1953 izy ary maty tamin' ny 22 Jolay 2002.

Ny toe-javatra nahafatesany, izay niteraka “fahavoazana tsy nokendrena” lehibe (14 maty ary 150 mahery no naratra), dia nitarika fanokafana fanadihadiana tany Espaina tamin' ireo mpikambana ao amin' ny Tsahal, tafika israeliana, ary tamin' ny minisitra teo aloha koa, anisan' izany i Benyamin Ben-Eliezera, noho ny heloka bevava tamin’ ny ady sy ny fandinihan’ ny Fitsarana Tampon’ i Israely ny “Raharaha Shehadeh”.