Brigady Izz al-Din al-Qassam

Ny Brigady Izz ad-Din al-Qassam na Brigady Al-Qassam, izay nahazo ny anarany avy amin' ny anaran' i Izz ad-Din al-Qassam, no sampana miaramilan' ny fikambanana palestiniana Hamas[1]. Amin' izao fotoana izao dia tarihin' i Mohammed Deif sy ny lefiny, Marwan Issa, ny Brigady Izz ad-Din al-Qassam no vondrona lehibe indrindra sy manana fitaovana tsara indrindra ao Gaza ankehitriny[2]. Amin' ny teny arabo io sampana io dia atao hoe كتائب الشهيد عز الدين القسام, izay midika ara-bakiteny hoe "Vondro-miaramilan' ny maritira Izz ad-Din al-Qassam"[2].

Fanazaran-tena nataon' ny Brigady Izz ad-Din al-Qassam tamin' ny taona 2013

Naorina tamin' ny tapaky ny taona 1991, tamin' izany fotoana izany izy dia nisahirana ny amin' ny tokony hanakanana ny fifampiraharahana momba ny fifanarahana tao Oslo[3]. Hatramin' ny 1994 ka hatramin' ny 2000, ny Brigady Al-Qassam dia nilaza ho tompon' andraikitra tamin' ny fanafihana Israeliana maro[2].

Tany am-piandohan' ny Intifada faharoa dia nanjary lasibatr' i Isiraely ilay vondrona. Nanaitra ny mpanara-baovao ny tanjaky ny vondrona sy ny fahaizany manao fanafihana sarotra sy mahafaty olona maro. Ny Brigady Al-Qassam dia nampiasa vondrona madinina maro tao Jôrdania Andrefana, saingy ny ankamaroan' izy ireo dia rava tamin' ny taona 2004 taorian' ny hetsika maro nataon' ny Tsahal, tafika israeliana, tao amin' ilay faritra. Mifanohitra amin' izany kosa, ny Hamas dia nitana toerana mahery vaika tao amin' ny Salavantanin' i Gaza, izay heverina ho fiarovana mafy ho azy. I Yahya Sinwar, mpitarika ara-pôlitika Hamas ao amin' ny Salavantanin' i Gaza hatramin' ny Febroary 2017, dia mpitarika miaramila ao amin' ny Brigady maromaro tao Gaza[4].

Ny Brigady Al-Qassam dia voatanisa mazava ho fikambanana mpampihorohoro araka ny Vondrona Eorôpeana, i Aostralia, i Zelandy Vaovao, i Ejipta, ary ny Fanjakana Mikambana. Na dia tsy manonona mazava ny Brigady Al-Qassam aza, i Etazonia sy i Kanada dia nanendry ny fikaanna reniny, Hamas, ho fikambanana mpampihorohoro[5]. I Mohammed Deif, lehibena brigady, dia sokajin' i Etazonia ho mpampihorohoro maneran-tany araka[6]. "Satria manao hetsika ara-miaramila amin' ny anaran' ny Hamas ny Brigady, dia "azo inoana fa avy amin' ny Brigady ny hetsika fampihorohoroana voarindra mifandray amin' ny Hamas"[7].

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. "About Us". Al-Qassam Brigades Information Office. Arsiva tamin' ny 11 Nôvambra 2014.
  2. 2,0 2,1 et 2,2 "Izz ad-Din al-Qassam Brigades (IQB) – Hamas." Mapping Palestinian Politics. European Council on Foreign Relations. Retrieved 2021 May 20.
  3. Cleveland, William L. (1999). A history of the modern Middle East. Westview Press. p. 494. ISBN 978-0-8133-3489-9. Arsiva avy amin' ny fototra tamin' ny 31 Desambra 2012.
  4. Beaumont, Peter (13 February 2017). "Hamas elects hardliner Yahya Sinwar as its Gaza Strip chief". The Guardian. Arsiva tamin' ny 3 Febroary 2017.
  5. "Currently listed entities". www.publicsafety.gc.ca. 21 December 2018.
  6. "Specially Designated Nationals and Blocked Persons List." U.S. Department of the Treasury. 2021 May 20.
  7. "al-Qassam Brigades: Details of the organisation": Australian National Security. Australian Government. Arsiva tamin' ny 21 May 2019.