Ny saktisma dia firehana ao amin' ny hindoisma izay mihevitra ny Shakti ("angovo" "herin' andriamanitra") ho ny Brahman, izay miseho amin' ny alalan' ny Andriamanibavy Kâli, Durgâ, Sarasvatî, Lakshmi, Bhâvanî na Lajja Gauri. Iray amin' ireo firehana lehibe ao amin' ny hindoisma ny saktisma, manampy ny visnoisma sy ny sivaisma ary ny smartisma.

I Durgâ sy i Kâlî ary i Lakshmi.
Sary mivohitra maneho an' ireo andriamanibavy Vaishnavi, Varahi, Indrani ary Chamunda.

Amin' ireo mpomba ny saktisma (atao hoe Sakta) dia lehibe noho i Shiva vadiny ny Andriamanibavy, dia i Shiva izay tsy afaka misy raha tsy eo ny foto-javatra vavy ao anatiny: io ilay angovo vavy izay miteraka tsy manan-pahasasarana ny Natiora (Prakriti) sy mamahana ny zava-manana aina rehetra (amin' ny maha Renin' ny zava-drehetra azy - Mâtâ).

Manam-pifandraisana hentitra amin' ny tantrisma ny saktisma. Ny fombafombam-pivavahana sakta dia ahitana fanao momba ny firaisana ara-nofo masina: ny firaisan' i Shiva amin' ny Shakti dia aseho amin' ny alalan' ny firaisana ara-nofo tanterahina araka ny fitsipika ara-panompoam-pivavahana mazava tsara, ny firaisana ara-nofo dia heverina ho fitsaohana ny Shakti.

Araka ny tombana nataon' i Johnson sy Grim tamin' ny taona 2010 dia ny saktisma no sampana kely ao amin' ny hindoisma, izay ahitana mpino miisa 30 tapitrisa any ho any, izany hoe ny 3,2 % amin' ny Hindo rehetra[1].

Jereo koa hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Johnson, Todd M; Grim, Brian J (2013). The World's Religions in Figures: An Introduction to International Religious Demography. John Wiley & Sons. p. 400. ISBN 978-1-118-32303-8.