Ry Tanindrazanay malala ô

Ry Tanindrazanay malala ô! no hiram-pirenena malagasy. Nosoratan' ny mpitandrina Rahajason ny tonony ary noforonin' i Norbert Raharisoa ny feony.

Tonony sy feon-kira hanova

 
Ry Tanindrazanay malala ô
 
Ry Tanindrazanay malala ô

Toa izao ny tonony :


Ry Tanindrazanay malala ô!
Ry Madagasikara soa.
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.

        Fiverenana
Tahionao ry Zanahary
'Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He! sambatra tokoa izahay.

Ry Tanindrazanay malala ô!
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy anananay
'zay sarobidy sy mendrika tokoa.

       Fiverenana
Tahionao ry Zanahary
'Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He! sambatra tokoa izahay.

Ry Tanindrazanay malala ô!
Irinay mba hitahiana anao,
Ilay Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan'ny satanao.

      Fiverenana
Tahionao ry Zanahary
'Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He! sambatra tokoa izahay.