Revôlisiôna Volomboasary

Ny Revôlisiôna Volomboasary dia andiana hetsi-panoherana ara-pôlitika nitranga tao Okraina taorian' ny fanambaràna tamin' ny 21 Nôvambra 2004 ny vokatry ny fihodinana faharoa amin' ny fifidianana filoham-pirenena, izay heverin' ny Okrainiana maro ho voahosoky ny governemantan' i Viktor Yanukovych sy ny fokom-pianakaviana matanjaka ao Donetsk, anisan' izany ny ôligarka Rinat Akhmetov. Amin' ny fiteny okrainiana izany dia atao hoe Помаранчева революція / Pomarantchéva revoliutsiya. Ny sasany ihany koa dia tezitra noho ny fanohanana amin' ny fampahalalam-baovao sy ny fanohanana ara-pôlitika sy ara-pitaovana nataon' i Vladimir Putin sy ny governemanta rosiana an' i Yanukovych, ary izany dia anisan' ny isaina ho anton' ny ady taorian' ny vanim-potoana sôvietika ireo hetsika ireo. Nokarakarain' ny kandidà ho filoham-pirenena tsy nahomby, Viktor Yushchenko sy ny mpiara-dia aminy Yulia Tymoshenko, ka nahazo vahana haingana ireo fihetsiketsehana ireo. Ny fokom-pianakaviana mpanohitra ao Donetsk no mamatsy vola azy ireo, izay nanana harena be ny sasany. Mandray soa avy amin' ny fanohanan' ny Tandrefana maro ilay revôlisiôna, anisan' izany ny an' i Etazonia, sy ny famatsiam-bola avy amin' ny fikambanana amerikana, nanetsika mpanao fihetsiketsehana maherin' ny antsasa-tapitrisa ao Kyiv sy nanerana ny firenena mandritra ny tapa-bolana eo ho eo.

Ny Revôlisiôna Volomboasary

Ny vokatra mivantan' ny Revôlisiôna Volomboasary dia ny fanafoanana ny latsa-bato nataon' ny Fitsarana Tampony sy ny fandaminana latsa-bato vaovao tamin' ny 26 Desambra 2004 izay nahazoan' i Viktor Yushchenko fandresena, 52 % amin' ny vato nanohitra ny 44 % ho an' ny mpifaninana aminy, Viktor Yanukovych. Ny mpanara-maso ao amin' ny OSCE dia mino fa io fifidianana vaovao io dia natao tao anatin' ny toe-javatra tsara lavitra noho ny roa teo aloha. Ny fiadidian' i Viktor Yushchenko anefa taty airiana dia simba noho ny krizy ara-pôlitika maro miaraka amin' ny governemanta nifandimby. Amin' ny fomba fijery ara-jeôpôlitika, ny Revôlisiôna Volomboasary dia manamarika ny fifandraisan' i Okraina amin' ny OTAN sy ny Vondrona Eorôpeana.