Ny Repoblika Sodaney no anarana nentin' i Sodàna Frantsay teo aloha nandritra ny volana vitsivitsy, tamin' ny taona 1958 sy 1959, taorian' ny nahazoany ny fahaleovantenany, izay mifanitsy amin' i Malỳ ankehitriny ny fizaràn-taniny.

Repoblika Sodaney

Nitazona ny sainam-pirenen' i Sodàna Frantsay izay mitovy amin' ny sainan' i Frantsa nefa mitondra "kanaga" amin' ny saron-tavan' ny Dôgôna natokana ho an' ny andriamanitra Amma izy.

Tantara hanova

Nandritra ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin' ny 28 Septambra 1958, izay nanamarika ny fiafaran' i Afrika Andrefana Frantsay (na Afrique-Occidentale française, A.-O.F.), dia be dia be (97 %) ny tao Sodàna Frantsay izay nifidy ny fananganana ny Repoblika Sodaney eo anivon' ny Communauté française. Nitambatra tamin’ i Senegaly izy tamin' ny Avrily 1959 mba hamorona ny Federasiônan' i Malỳ.