Repoblika Demôkratika Alemàna
Ny Repoblika Demôkratika Alemàna (RDA) na Alemaina Atsinanana, izay atao hoe Deutsche Demokratische Republik amin' ny teny alemàna, dia firenena tany Eorôpa Atsinanana, niforona tamin' ny 7 Oktobra 1949 taorian' ny Ady Lehibe Faharoa. I Berlin-Atsinana (alemàna: Ost-Berlin) no renivohiny. Ny Rindrin' i Berlin (alemàna: Berliner Mauer) no nanasaraka an' i Alemaina Atsinanana tamin' i tamin' ny Repoblika Federalin' i Alemaina (RFA) na Alemaina Andrefana. Rava izany firenena izany taorian' ny fampitambarana azy indray tamin' ny Repoblika Federalin' i Alemaina (RFA) tamin' ny 3 Oktobra 1990 ka namorona an' i Alemaina ankehitriny.
Tamin' ny fotoana nampitambarana ny Alemaina roa ronta dia nisy mponina 16 tapitrisa ny tao amin' ny RDA izay nanana velaran-tany mirefy 108 178 km2.