Ratovantany, izay atao hoe koa Andriantompo, dia andriamanitra inoana, araka ny fedrà malagasy, fa nanamboatra ny tenany izay miray amin'ny Tany. Hita ao amin'ny fedrà malagasy momba ny famoronana izy. Araka io fedrà io dia nanao fanekena tamin'ny andriamanitry ny lanitra (dia i Zanahary) mba hamorona ny olombelona izy. Nanamboatra ny olombelona avy tamin'ny tany izy ireo ka alain-dRatovontany ny vatana rehefa maty ny olona dia potepotehiny, fa ny fanahin'ny maty kosa, izay an'i Zanahary dia mankany an-danitra na any amin'ny Masoandro[1] [2]. Tsy mitovy amin'i Zanahary ny andriamanitra Ratovontany izay tsy andriamanitra lehibe eo amin'ny finoan'ny Malagasy na aiza na aiza nefa hita amin'ny kolontsaina manerana an'i Madagasikara io fedrà momba ny famoronana io.

Jereo koa: hanova

Loharano hanova

  1. "Madagascar Creation Myth". Scilt.org.uk. Notsidihina 12/12/2018.
  2. Arthur Cotterell (17 April 1986). A Dictionary of World Mythology (Revised ed.). Oxford University Press. ISBN 978-0192177476.