Ranon-dranomasina
Ny ranon-dranomasina na rano an-dranomasina dia rano misy sira mampiavaka ny ranomasina sy ny ranomasimbe eto amin' ny Tany. Lazaina fa "masira" izy io satria misy sira levona, voaforon' ny iôna, indrindra ny iôna halôzeniora toy ny iôna klôriora sy ny iôna alkalinna toy ny iôna sôdiôma.
Ao amin' ny ankamaroan' ny ranomasina sy ranomasimbe dia 30 ka hatramin' ny 40 g ny sira levona isaky ny ny ranon-dranomasina 1 kg, ka mifanohitra amin' ny ranomamy, izay misy sira latsaky ny 1 g isaky ny ny ranon-dranomasina 1 kg. Ny lanja isam-bentin-kadirin' ny ranon-dranomasina dia eo amin' ny 1,025 g/ml eo ho eo, 2,5 % ambony kokoa noho ny an' ny ranomamy (1 g/ml).