Queensland dia fanjakana faharoa lehibe indrindra ao Aostralia, ary fahatelo amin'ny isam-ponina. Ao avaratra atsinanan'i Aostralia no misy azy, ary ny faritany manodidina azy dia ny Faritany Avaratra any andrefany, ny faritanin'i Valesa Atsimo Vaovao any atsimony, ny Aostralia Atsino any atsimo andrefany. Ny renivohitr'i Queensland dia Brisbane.

Ny faritanin'i Queensland (mena) ao Aostralia

Fiavian'ilay anarana hanova

Ny anaran’ilay fanjakana dia avy amin’ny mpanjakavavy Victoria izay nanasonia ny fanambarana manasaraka ny Queensland ary ny Valesa Atsimo Vaovao tamin’ny 6 jiona 1859. Tamin’izany fotoana izany, tam-pon’ny anglisy i Victoria tamin’izany fotoana ary «Queensland» no anarana nomeny an’ilay faritany voa noforonina. Mitondra ny anaran’ilay mpanjakavavy ihany koa ilay faritanin’i Victoria.

Jeografia hanova

Toe-tany hanova

Tanàna Mari-pana Min. oC Mari-pana Max. oC Andro misy masoandro Latsak'orana
Brisbane 14 26 123 1 061
Mackay 18 27 113 1 667
Cairns 20 29 86 2 223
Townsville 18 29 n/a 1 144

Ny mari-pana avo indrindra tratra dia 49,5°C any Birdsville ny 24 Desambra 1972, ary ny mari-pana ambany indrindra dia -11°C izay tratra tany Stanthorpe ny 4 Jolay 1895.