Ptôlemaiôsy XIII

(tonga teto avy amin'ny Ptolemaiosy XIII)

I Ptôlemaiôsy XIII, izay atao hoe Ptôlemaiôsy XIII Teôsy Filôpatôra, dia iray amin' ireo farao faraparany tao Egipta tamin' ny andron' ny fitondran' ny dinastia lagida nialoha kely ny vanimpotoana romana. Nandimby an' i Ptôlemaiôsy XII Neôsy Diônisôsy izy tamin' ny taona 51 tal. J.K. sady niara-nanjaka tamin' i Kleôpatra VII anabaviny sady vadiny. Mbola 13 taona izy raha nandray ny fitondrana. Satria samy mbola kely izy ireo dia ny ministra no tompon-kevitra tamin' ny zavatra maro. Niady tamin' ny anabaviny izy ary nampamono an' i Pômpeio sady niady koa tamin' i Jolio Kaisara alohan' ny hahafatesany raha nandositra. Teraka tamin' ny taona 61 tal. J.K. izy ary maty tamin' ny taona 47 teo akain' ny tanàna atao hoe Alkama any Egipta. Atao hoe Πτολεμαῖος Θεός Φιλοπάτωρ / Ptolemaĩos Theós Philopátôr izy amin' ny teny grika. Ny hoe Theós Philopátôr dia midika hoe "Andriamanitra tian' ny rainy".

I Ptôlemaiôsy XIII

Jereo koa hanova