Pointe-Noire (Repoblikan' i Kôngô)

I Pointe-Noire dia tanàna ao amin' ny tapany atsimo-andrefan' ny Repoblikan' i Kôngô, renivohi-paritra, miorina ao amin' ny morontsiraka atlantika ao amin' ny helodrano izay nahazoany ny anarany. Izy no seranan-tsambo sady renivohitra ara-toekaren' io firenena io. Lalam-by no ifandraisany amin' i Brazzaville renivohitry ny Repoblikan' i Kôngô. Nisy mponina 1 158 331 i Pointe-Noire tamin' ny taona 2017.

Pointe-Noire