I Pio IV dia papa tao amin' ny Eglizy Katôlika sady mpitondra ireo "fanjakan' ny Papa" nanomboka tamin' ny 25 Desambra 1559 ka hatramin' ny nahafatesany, tamin' ny Desambra 1565. Teraka tany Milano izy, ny fianakaviany dia nihevi-tena ho sampana tao amin' ny Tranon' ny Medici (italiana: casata dei Medici). Na dia tsy nahita porofo momba izany fifandraisana izany aza ny mpahay tantara, ny Medici ao Flôrentia (Florence) dia nanaiky ny filazan' ny Medici ao Milano tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-16.

Papa Pio IV

Amin' ny teny italiana izy dia atao hoe Pio IV. Teraka tamin' ny 31 Marsa 1499 izy ary maty tamin' ny 9 Desambra 1565. I Giovanni Angelo Medici no anarany talohan' ny naha papa azy.

Ny papa Paoly III no nanendry azy ho arsevekan' i Ragusa, ary nandefa azy hamita iraka diplaômatika tany amin' ny Empira Rômana Masina sy tany amin' ny Fanjakan' i Hôngria. Izy no nitarika ny fivoriana farany tamin' ny Kônsily tao Tridentio. Mpanolo-tsaina azy akaiky ny kardinaly Carlo Borromeo, izay zanaky ny mpiray tampo aminy. Tamin' ny naha papa azy, i Pio IV dia nanao tetikasa fanorenana maromaro tany Rôma, anisan' izany ny fanatsarana ny famatsian-drano.