I Pierre Louis Boiteau dia bôtanista frantsay teraka tamin' ny 3 Desambra 1911 tao Cognac ary maty tamin' ny 1 Septambra 1980 tao Orsay any Essonne. Ny iray amin' ny zanany vavy, Lucile Boiteau-Allorge, dia bôtanista ihany koa.

Ny fiainany

hanova

Rehefa avy nianatra tao amin' ny École d'horticulture de Versailles izy dia niainga ho aty Madagasikara tamin' ny 26 Ôktôbra 1932 hanao raharaha miaramila izay nifarana tamin' ny 23 Desambra 1933.

Tamin' ny taona 1934 izy dia nanomboka nanangona zavamaniry nohamainina. Tain' ny voalohany izy dia niandraikitra ny tontolo maitso ao Antsirabe ary nanangana ny Parc de l'Est tao amin' io tanàna io. Nandray ny asany tao amin' ny Valan-javamaniry amam-bibin' i Tsimbazaza (Parc botanique et zoologique Tsimbazaza), ao Antananarivo izy tamin' ny Septambra 1935. Nandritra izany fotoana izany dia nianatra teny malagasy izy ary nahazo ny mari-pahaizana momba ny teny malagasy (brevet supérieur de langue malgache) tamin' ny taona 1937.

Tamin' ny taona 1936 izy dia nangatahin' ny Dokotera. Ch Grimes mba hiaraka aminy ho any amin' ny fitaizana ny boka tao Manankavely, any amin' ny lalana mankany Toamasina. Ny teny malagasy dia nahafahany mifandray amin' ny mpitsabo nentim-paharazana. Namantatra ny zavamaniry enina ampiasainy izy, anisan' izany ny talapetraka (Centella asiatica na Hydrocotyle asiatica). Nanomboka tamin' ny taona 1937 ny fandalinany ny fahombiazan' ny fanafody avy amin' ny zavamaniry. Izany no niandohan' ny fikarohana izay nifarana tamin' ny taona 1942 tamin' ny fahazoana ny singa atao hoe asiaticoside nataon' i Bontems (Bontems J. E., 1942) sy ny famolavolana ny fanafody madecassol niarahana amin' i Albert Rakoto Ratsimamanga. Ny fidiram-bola avy amin' izany no nahafahana nananganana ny Institut malgache de recherches appliquées (IMRA).

Ny Dokotera Ratsimamanga dia nitantana labôratoara ao amin' ny 12 rue de l'École-de-Médecine tany Paris, izay nantsina hoe "Laboratoire de physiologie nutritionnelle, des hormones et des vitamines" ary nandray an' i Pierre Boiteau izay voaroaka teto Madagasikara, tolom-bahoaka nataon' ny Malagasy tamin' ny 1947. Nanohy ny fikarohana nataony izy sady niara-niasa tamin' ny ekipa tao amin' ny labôratoaran-tsimia tao amin' ny Museum Muséum (Boiteau & al., 1948).

Mpanolo-tsaina tao amin' ny Union française izy tamin' ny taona 1949 ka hatramin' ny 1958, izay naha sekretera azy. Tamin' ny voalohany izy dia niandraikitra ny raharaha fikarohana tao amin' ny Centre national de la recherche scientifique (CNRS) tamin' ny taona 1949 ka hatramin' ny 1952 ka i Edgar Lederer sy i André Lwoff no mpanohana azy. Avy eo izy dia lasa talen' ny labôratoara famantarana ny zavamaniry ao amin' ny Institut de chimie des substances naturelles-Centre national de la recherche scientifique (ICSN-CNRS) tao Gif-sur-Yvette (Essonne) tamin' ny 1968 ka hatramin' ny nahafatesany.

Namoaka lahatsoratra maro niaraka tamin-dRatsimamanga izy, ka anisan' izany ny Éléments de pharmacopée malgache. Ny boky fizaràna voalohany ihany no tafavoaka, noho ny tsy fisian' ny vola. Avy eo i Pierre Boiteau dia namoaka ny Précis de matière médicale malgache tamin' ny tana 1979.

Maty tamin' ny Septambra 1980 izy noho ny homamiadana. Tamin' ny 1 Septambra 1982, ny paositra eto Madagasikara dia namoaka hajia misy ny sarin' i Pierre Boiteau. Ny iray amin' ny zanany vavy, i Lucile Boiteau-Allorge, dia bôtanista ihany koa.

Famoaham-boky

hanova
  • Ch. Grimes (1939). Le traitement de la lèpre par l'Hydrocotyle asiatica. Bulletin de la Société de pathologie exotique, XXXII (6) : 692.
  • M. Bontems (1942). Sur un Glucoside nouveau : l'Asiaticoside isolé à partir de Hydrocotyle asiatica (ombellifères). Gazette médicale de Madagascar n° 15 : 29-33.
  • J. Devanne & R. Razafimahery (1942). Glucoside et résine de l'Hydrocotyle asiatica. Gazette médicale de Madagascar : 15-34.
  • Ch. Grimes & P. Boiteau (1945). Rapport sur la thérapeutique de la lèpre. Huitième rapport annuel de la Société du Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza, 1944.
  • P. Boiteau (1945). Travaux sur l'Asiaticoside (étude botanique). Neuvième rapport annuel de la Société du Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza.
  • P. Boiteau (1945). Travaux sur l'Asiaticoside. Rapport annuel du laboratoire de botanique et de technologie végétale : 26-40.
  • P. Boiteau (1947). Contribution à l'étude du rôle des glucosides dans le métabolisme de la plante. Bulletin de la société de chimie biologique. XXIX (4-6) : 451-453.
  • P. Boiteau & R. Saracino (1948). Premiers essais au sujet de l'action de l'Asiaticoside sur les lupus érythémateux et sur certaines lésions produites par les bacilles de Hansen & Koch. Le médecin français. VIII (19), 10 oct. 1948.
  • P. Boiteau, A. Buzas, E. Lederer & J. Polonsky (1948). Sur la constitution chimique de l'Asiaticoside. Nature, 163 : 258. London. Communication Congrès de Chimie biologique, oct. 1948.
  • P. Boiteau & A.R. Ratsimamanga (1956). L'asiaticoside extrait de Centella asiatica et ses emplois thérapeutiques dans la cicatrisation des plaies expérimentales et rebelles (lèpre, tuberculose cutanée et lupus). Thérapie II (1) : 125-151.
  • P. Boiteau (1958). Contribution à l'histoire de la Nation malgache. Préface d’Émile Tersen. Éditions sociales. Paris, France.
  • A.R. Ratsimamanga & P. Boiteau (1964). Propriétés thérapeutiques des extraits de Centella et de leurs constituants triterpéniques isolés. Annales de l'université de Madagascar. 2 : 101-107.
  • P. Boiteau, B. Pasich & A.R. Ratsimamanga (1964). Les triterpénoïdes en physiologie végétale et animale. Gauthier-Villars (Paris) : 1370 pages. Asiaticoside : p 240-242, 841-842 et 1215-1268.
  • A. Rakoto-Ratsimamanga, P. Boiteau et M. Mouton (1969) Éléments de Pharmacopée malagasy. IMRA (Antananarivo, Madagascar) : 5-306. en ligne sur Pl@ntUse [archive]
  • P. Boiteau (1979). Précis de matière médicale malgache. La Librairie de Madagascar (Antananarivo, Madagascar) : 97 p.
  • Pierre Boiteau, Marthe Boiteau et Lucile Allorge Dictionnaire des noms malgaches des végétaux Éditions Alzieu. Grenoble. 1999

Zavamaniry ara-tsiansa mitondra ny anarany

hanova
  • Helichrysum boiteaui Humbert, Bull. Soc. Bot. France, 1938 : 662.
  • Bulbophyllum boiteaui Perrier de la Bâthie, Not. Syst., 1939 : 38.
  • Senecio boiteaui Humbert, Not. Syst. 1942 : 110.
  • Aloe boiteaui Guillaumin,* *Bull. Mus. Nat. Hist. nat. 1942 : 349.
  • Asplenium boiteaui Tardiot-Blot, Mém. Inst. Scient. Madagascar, sér. B, VII, 1956 : 51.
  • Croton boiteaui Léandri, Adansonia, sér. 2, X(3), 1970 : 313.
  • Pandaca boiteaui Markgraf, Adansonia, sér. 2, XII(2), 1972 : 218.
  • Benthamia boiteaui Hervouet, Adansonia, sér. 3, XXXVI (2), 2014 : 209