I Patti Hindi, izay azo adika ara-bakiteny hoe "Fehin-kibo Hindy", dia faritra mahafaoka ny ampahany avaratra, afovoany, atsinanana ary andrefana ao India izay be mpampiasa ny fiteny hindy (sy ny fiteny na fitenim-paritra samihafa izay avondrona ao amin' ity fiteny ity). Indraindray ny hoe Patti Hindi dia ilazana fanjakana indiana sivy izay manao ny fiteny hindy ho fiteny ôfisialy ary manana ny ankamaroan' ny mpiteny hindy, dia i Bihar, i Chhattisgarh, i Haryana, i Himachal Pradesh, i Jharkhand, i Madhya Pradesh, i Rajasthan, i Uttarakhand, i Uttar Pradesh ary i Delhi. Ny mpanoratra mozilmana sasany koa dia miantso azy io hoe "Fehin-kibo Hindy-Ordo".

Faritra (mena) ahitana fiteny isan-karazany heverin' ny fanisam-bahoaka ho fiteny hindy ho fitenin' ny tompontany