I Paoly III no papa faha-220 tao amin' ny Eglizy Katôlika tamin' ny 13 Ôktôbra 1534 mandra-pahafatiny tamin' ny 10 Nôvambra 1549. Amin' ny teny latina izy dia atao hoe Paulus III, fa amin' ny teny italiana kosa dia Paolo III. Ny tena anarany dia Alessandro Farnese (amin' ny teny italiana), teraka tamin' ny 29 Febroary 1468 tao Canino izy ary maty tao Rôma tamin' ny 10 Nôvambra 1549.

Ny papa Paoly III, sary nataon' i Tiziano Vecellio

Niakatra teo amin' ny seza fiandrianan' ny papa izy tamin' ny fotoana nandrobana an' i Rôma (tamin' ny taona 1527), izay nahitana fisalasalana maro tao amin' ny Eglizy Katôlika taorian' ny Fanavaozana Prôtestanta. Izy no nanomboka ny Fanoheram-Panavaozana tamin' ny nanaovana ny Kônsilin' i Tridentio izay nampanaoviny tamin' ny taona 1545. Nifanandrify amin' ny adim-pivavahana voalohandohany izay nahitana ny fanafihana mitohy ara-miaramila nataon' ny emperora Carlos V namelezana ny Prôtestanta tany Alemaina ny fotoana naha papa azy. Nankato fikambanana ara-pivavahana katôlika vaovao toy ny Societas Jesu (Zezoita), ny Clerici Regulares Sancti Pauli (na Fikambanan' ny Barnabita) ary ny Confoederatio Oratorii Sancti Philippi Nerii. Ny ezaka nataony dia nosimbain' ny kiantranoantrano izay nikendry ny hampandroso ny fahefana sy ny haren' ny fianakaviany, anisan' izany ny zanany lahy tsy ara-dalàna tsy ara-dalàna tamin' i Silvia Ruffini, atao hoe Pier Luigi Farnese (frantsay: Pierre-Louis Farnèse). Nanan-janaka roa hafa koa izy dia i Costanza sy i Paolo ary i Ranuccio.

Nandamina indray ny Inkizisiôna izy, nanangana ny Inkizisiôna Rômanina ary nanome alalana ny famoronana ny Inkizisiôna Pôrtogey. Avy taminy koa ny nahazoana ny Veritas ipsa, dia ilay fanamelohana ôfisialy nataon' ny Eglizy Katôlika tamin' ny taona 1537 ny fanandevozana ny Indianan' i Amerika sy ny olona hafa rehetra. Mpiaro ny mpanakanto i Paoly III, ka anisan' izany i Michelangelo; nanokana ho azy ny asasoratra momba ny maha afovoany ny masoandro i Mikołaj Kopernik (frantsay: Nicolas Copernic).

Jereo koa

hanova