Ny Panicum dia zavamaniry maro ao amin' ny fianakavian' ny Poaceae, ao amin' ny zana-pianakavian' ny Panicoideae. Mahatratra any amin' ny 370 any ho any ny karazany, izay maniry amin' ireo faritra manana toetany antonony na toetanin-jana-pehin-tany na ambanin-jana-pehin-tany. Maniry mandavan-taona na isan-taona izy ireo arakaraka ny karazany, ka mety mahatratra 20 hatramin' ny 400 sm ny haavony. Misy ireo karazana volena mba hohanim-boa na hohanin' ny biby fiompy. Ny karazana hafa dia ahi-dratsy ho an' ny fambolena, indrindra ny katsaka. Ny Panicum virgatum dia volena any Etazonia ka atao sakafom-biby ny raviny sy ny tahony, na volena hiarovana ny nofon-tany amin' ny fikaon-tany.

Panicum maximum Jacq.

Ireo zavamaniry ireo (indrindra ny Panicum maximum) dia antsoina amin' ny teny malagasy hoe: famoa, fantaka, tsimparifary, tsiparefare, veromena, verotsanga.

Indreto ny sasany amin' ny karazany hita eto Madagasikara sy ny anarana iantsoana azy amin' ny teny malagasy:

  • Panicum brevifolium : adalavatana, ahipody;
  • Panicum cupressifolium : ahibarira;
  • Panicum glanduliferum : kiafotsa, kiahipody;
  • Panicum luridum : ahidahy;
  • Panicum mahafalense : ahibelo, ahimanara, ahimianara;
  • Panicum maximum : famoa, fantaka, tsimparefare, tsimparifary, tsiparefare, veromena, verotsanga;
  • Panicum pseudowoeltzkowii : ahipody, ahipoly, ahitoto;
  • Panicum semialata : ahitrakanga;
  • Panicum subalbidum : ahipisaka, famoa, fataka;
  • Panicum umbellatum : fandridahy, volonondry

Jereo koa hanova