Ny Panicoideae dia zana-pianakavian' ny Poaceae, izay ahitana karazana miisa 3 500 any ho any, izay fahita indrindra amin' ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany sy toetany antonony mafana. Ao amin' ity zana-pianakaviana ity no misy ny sasany amin' ireo zavamaniry volena indrindra, toy ny fary, ny katsaka ary ny ampemba.