Order of Lutheran Franciscans
Ny Order of Lutheran Franciscans, izay hafohezina amin' ny hoe OLF, dia fikambanana ara-pivavahana mifandray amin' ny Fiangonana Loterana ara-Pilazantsara ao Amerika (Evangelical Lutheran Church in America -- ELCA), izay niorina tamin' ny taona 2011.
Misokatra ho an' ny mpino ao amin' ny ELCA ilay fikambanana, na ny manambady na ny mpitovo, na ny laîka na ny vita ôrdinasiôna, izay mivoady ny hiaina araka ny fanahy sy fanao ao amin' ny torohevitra ara-pilazantsara momba ny fahantrana sy ny fahadiovam-pitondrantena ary ny fankatoavana, araka ny fahazoan' ilay fikambanana izany. Amin' ny alalan' ny fiofanana misy dingana maro ny maha lasa mpikambana ao.
Ny iraka ampanaovin' ny fikambanana dia ny "hanaraka an' i Jesosy amin-kafanam-po, hanorina indray ny Fiangonany, hiaina fiainana mifampikarakara sy mandraisana andraikitra araka ny fanekem-pinoana sy ny foto-pinoan' ny loteranisma, araka ny fanahy sy ny fanaon' ny torohevitra ara-pilazantsara, amin' ny fanarahana amim-pahatokiana ny lalana tsotran' i Md François d'Assise.
Ny Order of Franciscans Loterana dia ampahany amin' ny fianakaviamben' ny Fransiskana, izay ekiomenika amin' ny ezaka ataony, mikatsaka fiaraha-miasa amin' ny Fransiskana hafa amin' ny fananganana indray ny Fiangonan' i Kristy, mikarakara ny zavaboary ary mikatsaka ny rariny ho an' ny mahantra sy ny voailikilika.
Tamin' ny taona 2023, tamin' ny latsabato nataon' ny Filankevitry ny Fiangonana tao amin' ny ELCA, dia lasa fikambanana loterana mahaleotena (Independent Lutheran Organization -- ILO) ôfisialy ao amin' ny ELCA ny Order of Lutheran Franciscans, ka nahatonga azy io ho fikambanana (order) ara-pivavahana loterana ôfisialy voalohany amin' ny antokom-pinoana lehibe any Amerika Avaratra.