Ny olana sinôptika dia fanontaniana momba ny fifandraisana ara-diteratiora manokana eo amin' ny filazantsara sinôptika telo (Matio sy Marka ary Lioka) - izany hoe ny fanontaniana momba ny loharano niankinan' ny filazantsara sinôptika tsirairay tamin' ny nanoratana azy. Noho ny fitoviana sy ny fahasamihafan' ireo lahatsoratra telo ireo dia ilaina ny mamaritra ny filaharan’ ny fotoana nanoratana azy sy ny lovantsofina nanorenana azy ireo.

Miaraka amin' ny fikatsahana an' ilay Jesoa ara-tantara, ny olana sinôptika dia iray amin' izay tena manintona ny mpanao famakafakana. Nanomboka tamin’ ny taonjato voalohandohany tamin’ ny kristianisma, dia nanintona ny saina ny fanontaniana ny amin’ ny fahasamihafan’ ireo lahatsoratra telo ireo. Ho an’ i Aogostino avy any Hipôna dia ny filaharan' ny fanoratana no anazavana azy ireo. Taty aoriana, indrindra fa nanomboka tamin' i Griesbach tamin' ny taonjato faha-18, dia nipoitra ny fanontaniana momba ny fifanahafana, fa tsy ny fahasamihafana fotsiny.

Ny famakafakana ny Testamenta Vaovao dia nanao dingana lehibe niaraka amin' ny petra-keviry ny loharano roa noforonin' i Christian Hermann Weisse tamin' ny taona 1838, ary izay no nahatonga ny fipoiran' ny petra-kevitra momba ny Loharano Q.