RASOLOMAHENINA Manirisoa, izay fantatra amin'ny solon'anarana Niry Solosoa dia teraka ny : 26 jolay 1951 tao Ihosy. Mpanao gazety izy ary manoratra tononkalo, famoaboasan-kevitra sy sombintantara.

Zavakanto hanova

Ahitana tononkalony vitsivitsy ao amin’ilay amboara fahatelo « AINGAM-PANAHY VAOVAO» nosoratan’i Barthélemy RAJHONS.

Niara-namoaka ny Amboara « ANGAROA » ny taona 1988 tamin’ireo mpanoratra 7 mirahalahy namany, toa an-dry Tiaray Andriamahefa, Rafalindranto Ramy, Ranja sy ny hafa. Ahitana ny asa sorany koa ao amin’ny Amboara SANDRATRA, izay iarahany amin-dry Solofo José, Ilay, J. Nalisoa RAVALITERA, sns…

Jereo koa hanova

Pejin'i Niry Solosoa ao amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina Archived Jolay 23, 2017 at the Wayback Machine