Mpanoratra manana ny maha izy azy ILAY, ary nametraka ny tantarany teo amin'ny literatiora malagasy.

Louis D.RALAISAHOLIMANANA no tena anarany, ary avy ao Ambatondrazaka.

Nianatra tao amin'ny Sekoly Masindahy Josefa tao Ambatondrazaka, ary nanohy ny fianarany tao amin'ny Ste famille Mahamasina niaraka tamin-dry SOLOFO José.

Nandalina ny teny malagasy Teny Ankatso ary efa nampianatra tao amin'ny J.J. RABEARIVELO.

Tia mamaky boky izy ary tsy ialana boky mihitsy araky ny nambarany tany anaty kitapo hatramin'ny fahakeliny.Efa niofana tamin'ny fikarakarana boky tany ivelany ILAY ary lasa Talen'ny Tranombikim-pirenena taty aorina.

Ilay tantara an'onjam-peo MIKATSAKA NY FIADANANA no isany nahafatarana azy, ary tafiditra ihany koa tao amin'nyfandaharam-pianarana kilasy famaranana nanodidina ny taona 1980-1995.