I Nikôlà III, izay atao hoe Giovanni Gaetano Orsini tamin' ny nahaterahany, dia papa sy mpitondra ireo "fanjakan' ny Eglizy" tamin' ny 25 Nôvambra 1277 ka hatramin' ny nahafatesany. Teraka manodidina ny taona 1225 izy ary maty tamin' ny 22 Aogositra 1280. Amin' ny teny latina izy dia atao hoe Nicolaus III , fa amin' ny teny frantsay kosa dia Nicolas III.

Manolotra ny Eglizy ho an' i Kristy i Nikôlà III

Olo-manan-kaja rômana izay nanompo teo ambaniny fanapahan' ny papa valo izy, nataon' ny papa Inôkentio IV (1243–54) kardinaly-diakran' i San Nicola in Carcere Tulliano, nataon' ny nataon' ny papa Aleksandra IV (1254–61) mpiaro ny Fransiskana, nataon' ny papa Orbano IV (1261–64) inkizitôra jeneraly, ary nandimby ny papa Joany XXI (1276–77) taorian' ny fahabangan-toerana naharitra enim-bolana tao amin' ny Fiketrahana Masina, izay nitsahatra tamin' ny fifidianana azy ho papa tamin' ny taona 1277, indrindra tamin' ny alalan' ny herin' ny fianakaviana.