Neô-ôrtôdôksia

Ny neô-ôrtôdôksia na teôlôjia dialektika dia firehana ara-teôlôjia ao amin' ny prôtestantisma izay nandroso taorian' ny Ady Lehibe Faharoa. Mampiavaka azy ny fanoherana ny fampianaran' ny teôlôjia liberaly tamin' ny taonjato faha-19 sy ny fanamafisana ny fahefan' ny fampianaran' ny Refôrmasiôna izay nihalefy hery nanomboka tamin' ny taonjato faha-18, indrindra tao Eorôpa Andrefana. Ny teôlôjian' ny pastora soisa roa lahy Karl Barth sy i Heinrich Emil Brunner no santionan' izany teôlôjia neô-ôrtôdôksa izany. Tsy azoazon' izy ireo anefa ny iantsoana azy hoe "neô-ôrtôdôksa" satria tsipahiny ny foto-pampianarana momba ny fandraisana ara-bakiteny ny Baiboly, izay antsoina indraindray hoe "ôrtôdôksia". Ao Etazonia dia i Karl Paul Reinhold Niebuhr no nitarika ny neô-ôrtôdôksia.

Jereo koa hanova