Hanokatra ny renilisitra
Ny mpaminany Nahoma, nataon'i James Tissot, taona 1888.

I Nahoma dia mpaminany voalaza ao amin'ny Baiboly. Tanàna atao hoe Alkosy no fonenany nefa tsy tena fantatra mazava ny misy azy io fa mety ho tany avaratr'i Galilea. Taloha kelin’ny nandravana an’i Ninive no niasan'i Nahoma amin'ny maha mpaminany azy. Vitsy ny zava-pantatra momba ny tantarany. Nanandratra ny tanindrazany ambony dia ambony izy. Araka ny hevitry ny olona sasany, i Nahoma dia naminany tamin'ny fanombohan'ny najakan'i Ahaza (740 tal. J.K.). Ny sasany anefa dia mihevitra fa ireo faminaniany dia manandrify ny antsasany farany amin'ny fotoana nanjakan'i Hezekia (taonjato faha-8 tal. J.K.). Izy no nanoratra ny Bokin'i Nahoma araka ny lovantsofina.

Ny anaranyHanova

Amin'ny teny hebreo dia atao hoe נַחוּם / Naḥūm i Nahoma.

Jereo koaHanova

Mpaminany lehibe:

Mpaminany madinika