Nagada III na kolontsaina semainiana no anarana iantsoana ny kolontsaina talohan' ny tantara tao Ejipta, teo anelanelan' ny taona 3200 sy 3000 tal. J.K. Nanomboka tamin' ny Nagada III izay atao hoe kolontsaina semainiana ny vanimpotoana tinita (avy amin' ny anarana hoe Tisy - This). Nanatanteraka ny fanambarana ny faritra roa i Narmera (Narmer) izay heverina ho tsy iza fa i Menesy (Menes). Avy ao amin' ny fanjakan' i Hierakônpôlisy i Narmera. Nataony io fanambarana io mba hamoronany firenena kambana izay nanana an' i Tisy (This) ho renivohitra, niorina teo akaikin' i Abidôsy. Izy no hisikina ny satroboninahitra roa mitambatra voalohany (dia ny skhemty). Izany fanao izany dia notohizan' ireo faraôna nifandimby hatramin' izay ka hatramin' ny nahazoan' i Aleksandra Lehibe an' i Ejipta. Niorina ny dinastia tinita voalohany izay atao hoe "dinastia 0".

Ny Skhemty

Heverin' ny mpahay tantara fa ny dinastia tinita no namorona ny fiheverana ny fitondran' ny mpanjaka ho zo avy amin' ny andriamanitra  ary io dinastia io ihany koa no namorona ny fandraharaham-pitondrana avangongo amin' ny ivontoerana tokana. Nandroso ny fitarihan-drano amin' ny fambolena ka nahafaha-nitrandraka ny tany.

Jereo koa hanova