Voalohany indrindra ny teny hoe ANDRIANKAZOMANGA dia anarana FOKO taranak'i ANDRIANKAZOMANGABEMANEFOEFO . Ny reniny dia antsoina hoe;RAFARAVAVIRAPANANAMBONITANY. Araka ny tantara nipetraka dia avy any AMBOHIMANGA avy ao amin'ny Lapa "BEVATO" no fihaviany ary Zandrin’ny Mpanjaka ANDRIAMASINAVALONA izy. Izy no zanaka notoloran' ANDRIANATSIMITOVIAMINANDRIANDEHIBE ny fitazomana ny "Hazomanga". Noho ny korontana politika nisy tany IMERINA anefa dia voatery nifindra monina niaraka tamin'ANDRIANONIFONIMANJAKATANY tany VAKINANKARATRA izy sy ny ralahiny ANDRIAMANALINARIVO ary ny zanak'anabaviny izay antsoina hoe ZAFINDRAVOLA, Nanana ny toerana maha izy azy io foko io fahiny IZY IRERY IHANY MANKO NO ANDRIANA MERINA NITAZONA NY HAZOMANGA, Manamarina izany rahateo ny anarana nentiny. Ankehitriny dia mbola maro ny tanana ahitana ANDRIAKAZOMANGA (ao ankibon'IMERINA TSY MISY TAMINGAN'ANDRIANKAZOMANGA intsony) any VAKINAKARATRA SY ANY BETSILEO FISAKANA NO MIPARITAKA RY ZAREO,ka isan'izany ny ao SOANINDRARINY, ny ao avaratr'AMBOHIDRAINANDRIANA ( Ny taranaKin'ny lahimatoa dia ANDRIAKAZOMANGABE), ary ny ao FANDRIANA ( Sahamananina sy Miarinavaratra no monina ny taranakin'ny lahy fahatelo (Andriakazomangamanarivo) . Marihina fa ao Sahamananina no milevina ANDRIAKAZOMANGABEMANEFOEFO mivady. Ao Ambohijato , Ankafobalo ary Amboatsaonjo no monina ny taranakin'ny faralahiny (ANDRIATSIMANANONY ). Ny anaran'ny vadiny dia RAFIHAONANARIVO anabavinny kambana roalahy antsoina hoe ANDRIAMAHATOMBO (ao ambodin'i Manangana Fandriana) sy ANDRIATSIHANIKA . ireo saonjo mihoatra akondro avy ao Ambohimalaza fahiny. Enindahy vavy iray ny zanany.

   NY ANTONY NAHATONGA AN'ANDRIAKAZOMANGABEMANEFOEFO SY ANDRIAMANALINARIVO ZANDRINY NIALA TAO AMBOHIMANGA ROVA
    Rehefa fantatr' Andrianatsimitoviaminandriandehibe Mpanjaka fa efa akaiky ny fotoana handaozany ny tany dia nampiantso ireo Zanany naterany izy sy ireo Mpanolotsainy dia nanao izao fandidiana izao:" Ny Fanjakana dia atolotro an'i Razakatsitakatrandriana lahimatoako fa ny fitazomana ny hazomanga kosa dia atolotro an' Andriakazomangabemanefoefo zanako avy amindRafaravavirampananamboninitany". Nanaiky io tenin'ny Andriamanjaka io avokoa ny zanany sy ny Mpanolotsainy rehetra.
   Niamboho ny Mpanjaka ary nafenina ao Analamanga dia ny fahatelo amin'ny fitomiandalana. Ao atsimon'ny tranomanara misy azy no nanafenana ny raibeny ny atsimo indrindra dia ny Mpanjaka Andrianjaka ary manarakaraka dia ny Mpanjaka Andriatsitakatrandriana Rainy. 
   Nandray ny toerana maha Mpanjaka azy Razakatsitakatrandriana ary nitazona ny asan'ny Mpitakazomanga kosa Andriakazomangabemanefoefo ary Andriamasinavalona kosa nanoa teo Alasora.  Fotoana fohy taty aoriana anefa dia nanitakevitra Andriamampandry hovalahy avy amin'ny Zafimbazaha no Mpanolotsain'ny Mpanjaka Andrianatsimitoviaminandriandehibe izay manana fototra nipoirana avy ao Ambohimalaza ihany koa sy ireo namany ka namelatra fandrika haminganana andRazakatsitakatrandriana mahakasika ny hoe: "Manana fo firy moa ialahy Razakatsitakatrandriana" dia namaly ity faharoa ka namaly hoeo: "Fo iray". Nandeha teny amin' Andriamasinavalona indray izy dia nametraka fanontaniana toy io ihany ka namaly Andriamasinavalona ho manana " Fo roa". Dia io no nentin' Andriamampandry nanohanana an' Andriamasinavalona fa ny fo roa hono afaka miera amin'ny vahoaka vao manao zavatra fa ny fo tokana dia mandidy dia homana.Nahazo Mpanohana maro Andriamampandry ka anisan'izany Andriamanalina nitazona ny sampy Ikelimalaza sy ny Ny Zanak'olompianadahy amin' Andriamasinavalona.Nandeha nakeny amin'ny toeramponenandRazakatsitakatrandriana Andriamampandry ary avy eo nakeny amin'ny Fonenan'i Andriamasinavalona ka ny hevitra arosony dia mifono fitaka ka namingana ny Mpanjaka ny votoatony. Tanora fanahy ny Mpanjaka nefa ny Mpanolotsaina tena fatsora ka mora foana ny namingana azy. Fanampiny indray andro tonga teny amin'ny toeramponenan'ny Mpanjaka ny Andriamampandry sy Andriamanalina ka nanozona ny Mpanjaka ity farany dia nikopadamba ary avy eo lasa.
   
   Nitombo hatrany ny disadisa ary niafara tamin'ny fitondrandRazakatsitakatrandiana Tafika hanafika an' Andriamasinavalona teny Alasora . Andriakazomangabemanefoefo sy Andriamanalinarivo zandrin' Andriamasinavalona iray reny aminy dia tsy niaradia tamin'ny tafika hanafika an' Andriamasinavalona fa nijanona teo Ambohimanga ihany izy ireo sy ny Miaramila Mpiambina Andriana niaradia taminy. Resy anefa Razakatsitakatrandriana sy ny tafiny nefa mbola dimy taona teo hoeo nanjakana dia nanomboka hita mivandravandra toy ny vay ankandrina amin'izay ny hevipetsin' Andriamampandry. Lazainy fa te hihaona aminao hono ny zandrinao ka olona vitsivitsy entina miaraka aminao nefa ao ambadika dia tafika no asainy entin' Andriamasinavalona. Rava ny fanjakandRazakatsitakatrandriana ary norombahin'Andriamasinavalona ny Fanjakana. Nifarana teo ny fanjakan'ny taranak' Andrianjaka fa nifindra any amin'ny taranadRalambo avy amin'ny anabavin' Andriatompokoindrindra ny fanjakana.Ny fitazomana "Ny Hazomanga" kosa anefa dia mbola eo ampelatanan'Andriakazomangabemanefoefo ary mbola lovain'ireo taranany mandrak' ankehitriny.
    NY FIATRAIKAN'NY FANONGANAMPANJAKANA NATAON' ANDRIAMASINAVALONA TEO AMIN'NY FANJAKANA SY NY OLONA NANODIDINA AZY

Tsy nilamina ny tany sy ny Fanjakana fa samy nanao izay saimpatany ny isambohitra. Niezaka nifehy ny toerana efa azony ny Mpanjaka vaovao ary nandrindra fihavanana tamin'ireo fanjakana nentin'ny Printsy . Iray amin'ireny ny tao Fanongoavana ka ny anabaviny antsoina hoe Ranavalonatsimitovy no natolony ho vadin'ny Printsy tao. Nanampy trotraka izany koa ny Tandapa sy ny manodidina ny Mpanjaka vaovao. Nanome tolokevitra ny Mpanjaka amin'ny hanilihana tanteraka ireo Zafiafin' Andrianjaka avy amin' Andrianatsimitoviaminandriandehibe ireo tsy ho eo amin'ny fanjakana sy hoesorina hiala amin'ireo vohitra fonenan'ny Andriamanjaka toa an' Antananarivo sy Ambohimanga. Toa nisy alahelo sy fo nitsetra ihany an'ireto zandriny iray reny aminy anefa Andriamasinavalona ka niezaka ny nandamina ireo Mpiaradia sy ny Tandapany.

Tsy leo dohika anefa ireto tandapany ka dia nanery ireto zandriny izy hiala teo fa taoriana io fotoana io vao tonga ny Miaramila haka ny tanana. Niala moramora teny Ambohimanga Andriakazomangabemanefoefo ka nifindra nakeo Ankazomanga . Marihina fa ny fonenan'ny Mpitakazomangan'ny Merina teo no naha Ankazomanga io toerana io fa tsy hoe nisy hazomanga naniry akory teo. Andriandambomanafika kosa anefa mbola nijanona teo ka ilay zanak'olomianadahy amin' Andriamasinavalona no nitondra Miaramila teny nandroaka azy vao niala teny ry zareo ka lasa nitady fonenana any Ambohipoloalina ao.

Hatreto dia mbola Andriakazomangabemanefoefo no nitana ny "Hazomanga". Nalain' Andriamasinavalona hametrahany ny zanany antsoina hoe Andrianatsimitoviaminandriandrazaka ny tananan' Ambohimanga.

Vokany niparitaka ny taranak' Andrianatsimitoviaminandriandehibe ary maro no nisafidy niala an' Imerina. Nandeha ny ora sy ny fotoana ; Tsy namela ireto iray reny aminy hilamina Andriamasinavalona noho ireo Mpanolotsaina azy sy ireo tandapany fa nanao teny mahery sy toa maneso ka nifindra nanao toerana roa honenana izy ankoatra an' Ankazomanga ka lasa nakeny Itendro akaikin'i Manjakandriana izay toerana maro Andriana havany, Izy rahateo mbola tsy nampakabady. Io toerana io dia mbola ahitana "Hadivory sy Vato boribory hidin'ny vavahady fidirana". Nitombo hatrany anefa ny disadisa ka ho fiarovana ny ainy sy ireo havany nisafidy ny hijanona eto Imerina ary voatery hanoa an' Andriamasinavalona indrindra fa ireo anabaviny dia nisafidy ny hiala teto Imerina izy mirahalahy sy ny olony fa " Vorona tsy manompo havana " hono ry zareo. Havanay ny naongana ary mbola havanay koa ny Mpanongana koa dia aleo misitaka hoy izy mirahalahy ireo.

Nanomboka teo no tsy nisy Mpitakazomanga intsony ny fanjakana Merina. Anisany nahatonga ny Mpanjaka vaovao ho tezitra tamin'ireto Zandriny izany ka nahatonga fifanenjehana sy fifandonana teo amin'izy mirahalahy zandriny ireto sy ny Miaramila niaraka tamin'ny Manisotra. Tafavoaka hatrany izy mirahalahy ireto. Ny nalaza tamin'ireny dia ny fifandonana tao Ampanenitra akaikin' Ambatolampy: Nalefan' Andriakazomangabemanefoefo hamely ireto Miaramila sy Manisotra ny fanenitra ka vaky nandositra ireto farany sady nanary fiadiana no nibindambindana voakaikitry ny fanenitra marobe.

Nanomboka teo no nahatonga ny Mpanjaka vaovao nitady olona hanao ny asan'ny Mpitakazomanga sy hitaiza ny Andriana. Noho izany antony izany dia tao amin'ny foko Anakara Antemoro no niantefa ny safidiny. Nanomboka teo dia ny fomba Antemoro no nampiasainy fa navela ny fomba Merina satria nentin'ireo Taranak'Andrianjaka nanaraka azy ny fomba fitazomana ny " Hazomanga" araka ny fomba Merina. Mandraka ankehitriny dia mihevitra ny taranak' Andriamasinavalona fa tsy azo ialana ny Mpitakazomanga Antemoro raha vao fanjakana no resahina eto Imerina ary io mbola tohizan'ny taranaka ankehitriny io. Veloma teo ny fomba Merina nataon'ireo Mpanjaka Merina talohan' Andriamasinavalona teto anivon'Imerina. Mbola mahalala tsara ny fomba fomba sy ny fanao mahakasika io asan'ny Mpitakazomanga io ny zafilahin' Andriakazomanga rehetra


NY LALANA NIZORAN'ANDRIAKAZOMANGABEMANEFOEFO SY IREO MPIARADIA TAMINY

Rehefa nahatsapa izy fa votsotra teo ampelatanan' ny taranak' Andrianjaka ny fanjakana ary manempotra azy ireo ny tontolo arapolitika tamin'izany dia nandeha namangy sy nametrabeloma ireo havany teto Imerina sy tany Imamo izy izany hoe: Nandeha nanao veloma ny anabaviny tany Fanongoavana izy ireo ary avy eo nandeha nakany Manazary Itasy izay misy Zanadralambo maro sy Andriana maro ihany koa.Misy rohy arapanambadiana tokoa mantsy Andriambahoaka lehibe sy Andrianatsimitoviaminandriandehibe. Tamin'izany fotoana izany dia efa niala tany amin'iny faritr'i Matasoa sy inyilany atsinanan' Alasora iny Andrianonifomanjakatany niaraka tamin'ny anabaviny roa dia Ramanalina sy Ramanjaka ary ny vadiny roa niaraka tamin'ireo zananyavy. Nifanao fotoana tamin' Andriakazomangabemanefoefo izy ny hihaonany any ami'iny faritra atsimo iny manodidina an'i Fisakana.Nanainga niala tany Manazary izy sy ireo Mpanaradia azy ka tany akaikin'i Tsinjoarivo tany vao nihaona ny roa tonta. Nanohy ny dia nianatsimo ny roa tonta ka tonga tao amin'ny faritra izay ao anatin'ny Commune Miarinavaratra ankehitriny.Andrianonifomanjakatany sy ny olony dia nijanona andro maromaro teo Vatondrangy fa Andriakazomangabemanefoefo sy ny olony kosa dia nijanona ary nanorimponenana amin'izato toerana antsoina hoe "Analabe". Toerana nahitana Hazomanga mbola naniry betsaka . Nanorina tanana teo Andriakazomangabemaefoefo niaraka amin'ireo miaramila mpiambin' Andriana niaraka taminy sy ny vahoaka nanaradia azy.Nijanona niaraka taminy teo koa i Zafindravola zanak'anabaviny . Andriamanalinarivo zandriny faralahy kosa dia lasa niaradia amin'Andrianonifomanjakatany sy ireo Zanadralambo hafa toa an'Andriamasoandro ka nianatsimo andrefana ihany ka tonga aty akaikin'ny tendrombohitra Vontovorona. Niakatra teo antampon'io tendrombohitra io Andrianony no nahatazana ny lemaka midadasika teo andrefana ka lasa nakany izy sy ny olony ary ny anabaviny. Fa andriamanalinarivo kosa dia nanoriponenana ao Ambohimanga ao akaikin'i Vinanikarena ao ary mbola hita ao ireo taranany mandrak'androany.Andriajafimasoandro sy ny mpiaradia aminy kosa dia nanoriponenana ao Morarano sy Ambohidranandriana.