Ady anaty akata

(tonga teto avy amin'ny Mpiady anaty akata)

Ny ady anaty akata dia karazana ady mitam-piadiana tsy ara-dalàna, miavaka noho ny fisian' ny hetsika fanorisorena, fiotrehana, fanafihana madinidinika ary fisomparana, ataon' ny vondrona kely mpiady, matetika sivily mitam-piadiana na tafika tsy ara-dalàna, miady amin' ny tafika ara-dalàna na tafika mpibodo tany. Tsy toy ny ady mahazatra ny ady anaty akata izay tsy miatrika fifandonana mivantana sady tia mifindrafindra toerana sy mamely tampoka ary mahafantatra tsara ny faritra misy ilay ady.

Mpiandany belarosiana tao Belarosia nofehezin' ny Nazi tamin' ny taona 1943.

Ny mampiavaka ny ady anaty akata

hanova

Tsy mitovy amin' ny ady mahazatra ataon' ny tafika ara-dalàna ny ady anaty akata. Tsy mitovy amin' ny an' ny ady mahazatra ny fehezan-dalàna sy paikady arahiny. Mazàna mpiatafika amin' ny ady anaty akata dia miasa anaty vondrona kely, ka mahatonga azy ireo ho mora mifindrafindra kokoa sy sarotra fantarin-toerana isiana.

Ny paikady tian' ny mpiady anaty akata indrindra dia ny fanorisorenana tsy tapaka ny fahavalo, ny fiotrehana, ny fanafihana tampoka ary ny famelezana haingana. Anisan' ny manan-danja amin' ny ady anaty akata ihany koa ny fisomparana atao amin' ny fotodrafitrasan' ny fahavalo sy amin' ny fifandraisan-davitra ampiasainy ary amin' ny famatsian' ny fahavalo.

Tombony lehibe ho an' ny mpiady anaty akata ny fahalalana ny toerana. Ampiasainy ny fikitoantoanan' ny tany sy ny zavamaniry ary ny faritra sarotra idirana mba hiafenana sy hifindrafindrana ary hametrahana fandrika hamelezana ny fahavalo. Matetika ny mpiady anaty akata dia tohanan' ny mponina eny an-toerana, izay manome azy ireo vaovao sy sakafo ary fiafenana. Tena ilaina amin' ny fahaveloman' izy ireo sy ny fahombiazany io fanohanana io.

Mety ho samy hafa ny tanjon' ny ady anaty akata: fanafahana faritany, fanonganana fitondrana, fiarovana ny fitakiana ara-pôlitika na ara-poto-kevitra, sns. Iray amin' ny endrika tranainy indrindra amin' ny ady tsy mifandanja ny tetika ampiasaina amin' ny ady anaty akata; tsy toy ny fampihorohoroana koa izany satria tsy mikendry ny sivily.

Ohatra ara-tantara maro no mampiseho ny fahombiazan' ny ady anaty akata, anisan' izany ny Ady tao Espaina (1808-1814) nanohitra ny fibodoana nataon' i Napoléon I; ny Ady tao Vietnamy (1955-1975) izay nampias' ny Viet Cong tetika mahomby amin' ny tafika amerikana; fanoheran' ny Afgana ny Firaisana Sôvietika (1979-1989) sy ny tafika OTAN (2001-2021): nanao ady anaty akata naharitra sy nahomby ny Mojahidiny avy eo ny Talibàna.