Ny mofo atody dia sakafo malagasy izay mofo mifototra amin' ny lafarinina sy atody.

Zavatra ilaina sy fikarakarana azy

hanova

Zavatra ilaina

hanova

Ireto ny zavatra ilaina: atody 4, siramamy 8 sotro (c.à.soupe), tsongo-tsira 2, lafarinina 1/2kg, leviora 1 kitapo kely ho an' ny lafarinina 1/2 kg, ronono kely.

Fikarakarana

hanova

Kapohina miaraka ny atody sy ny siramamy ary ny sira. Rehefa avy eo dia arotsaka ao ny lafarinina efa nafangaro mialoha tamin' ny leviora. Arotsaka amin' izay ny ronono kelikely fotsiny fa manjary matsora lotra ny paty. Endasina amin' izay, mila menaka betsabetsaka ilay izy, atao mafana be. Bataina aloha rehefa handrotsaka azy dia rehefa tafiditra daholo dia averina amin' ny fatana. Tandremana sao may.

Rohy ivelany

hanova

Jereo koa

hanova