Ny atody dia ny akora voajanahary an' ny biby izay iforonana sy ivoaran' ny tsimoka mandra-pahavelomany samirery, ary avy eo dia mikotrika ilay biby. Ny atody iray dia vokatry ny fandonahana ny tsirivavy.

Ny atodin' ny biby mandady, ny an' ny vorona, ary ny an' ny biby mampinono dia mirotsaka anaty rano ary arovan' ny akora sokay manodidina azy, izay mety malemy na mafy. Ireo atody napetraka an-tanety na any anaty akany dia matetika tazonina ao anaty hafanana rehefa mitombo ilay tsimoka. Rehefa mivelatra tsara ilay tsimoka dia foy, izany hoe miala amin' ny akoran' atody.